Tovolahy iray 22 taona hita faty tao an-trano fonenany, tetsy amin’ny fokontany Nanisana, omaly maraina. Tsikaritry ny reniny sy ny fianakaviany fa nihidy aman-trano tao ity tovolahy ity. Tsy mbola nivoha ny varavarana na dia efa maraina aza ny andro. Nanapa-kevitra ny hamoha sy hanapitsoka ny varavarankelin’ilay trano ny havany. Hagagana sy hatairana ny an’ny rehetra fa vatana efa mangatsiaka tsy nisy aina intsony no hita teo ambony fandriana.
Nahazo antso mahakasika ny zava-nitranga, avy amin’ny olon-tsotra, ny polisin’ny CSP 8. Tonga nidina teny ifotony avy hatrany izy ireo vantany vao nahazo antso. Efa nosokafan’ny olona ny trano nisy ny razana tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Nametraka hafatra ara-taratasy tao an-trano ary napetrany teo ambony latabatra ho an’ny reniny izy, nandritra ny fizahana sy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Nosoratany tao anatin’izany fa mahatsiaro tena ho irery izy ato an-trano satria variana mitady vola foana ny reniny ary lazainy fa tsy mihaino ny fitarainana ataony ka antony namonoany tena. Nisotro zava-pisotro mahamamo izy alohan’ny namonoany tena. Misy aretim-po io tovolahy io ary nihinana fanafody matetika rehefa mihetsika ilay aretina, raha ny fanazavan’ny reniny.
Mino




