Nivadibadika ambony ambany ny fiara Volkswagen iray tetsy amin’ny Rocade Iarivo, Amoronankona, omaly maraina. Mpandeha roa tao anatiny maty tsy tra-drano. Enina hafa naratra mafy. Nandeha mafy ny mpamily ka tsy nahatana ny familiana rehefa tojo fiolahana ka nahatonga ny loza.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Rocade Iarivo, lalam-pirenana faha 65, PK 01 +200, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Niseho teo amin’ny toerana antsoina hoe : “Ravitoto”, fokontany Amoronankona, kaominina ambanivohitra Ambohimangakely, disitrikan’Antananarivo Avaradrano ny loza. Fiara Volkswagen, miloko fotsy sy mainty, nitondra olona valo no tra-doza tampoka teny an-dalana. Raha ny fanazavana voaray, nandeha mafy ny fiara. Tsy nahatana familiana ny mpamily rehefa tojo fiolahana teo amin’ny lalana somary anaty tanàna. Nandona andrin-jiro iray lehibe teo amin’ny sisin’dalana izy ary avy eo nivadibadika ambony ambany. Vokany, mpianaka (nahitana raim-pianakaviana 48 taona sy ny zanany lahy 17 taona), niara-maty na dia noentina haingana tany amin’ny hopitaly aza. Mpamilin’ilay fiara ity raim-pianakaviana anisan’ny namoy ny ainy ity. Olona enina hafa nandeha tao anaty fiara ihany koa naratra. Novonjena haingana teny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana (Cenhosoa) avokoa ireo naratra rehetra, taorian’ny loza. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza, ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely, vantany vao naharay antso. Ny zandarimariam-pirenena avy ao Ambohimangakely no miandraikitra ny raharaha. Avy Ambohimahitsy hihazo an’ Amoronankona ity fiara ity no niharan-doza, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana.
Ankoatra izay, fiara mpitatitra olona iray ihany koa niharan-doza tany Andranomangitsy, fokontany Tanjona, kaominina Ambanivohitra Tsarasaotra, distrikan’Ambositra, afakomaly tamin’ny 03 ora tolakandro. Nitranga teo anelanelan’ny PK 249 sy PK 250, ny loza. Nisy bisikileta nanapa-dalana teny an-dalana, ka niezaka niala izany ny mpamily kanjo nivadika. Vokany, renim-pianakaviana iray, 68 taona, maty teny an-dalana nitondrana azy teny amin’ny hopitaly. Olona fito hafa, mpandeha tao anaty fiara naratra ary efa manaraka fitsaboana ao amin’ny CHRR Ambositra. Tsy fahatomombanana teo amin’ny hisatry ny fiara no nahatonga ny loza, raha ny fanazavan’ny mpamily. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny polisy sy ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambositra. Avy any Antsirabe hihazo an’Ambositra izy ireo no tra-doza.
Mino




