Kariera nihotsaka : Olona efatra maty

Nihotsaka ny tany tao amin’ny karieram-bato quartz, tany amin’ny fokontany Soakibany kaominina Ambahitahy, distrikan’i Bekily, faritra Androy, ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora. Mpitrandraka vato maherin’ny 10 no tototry ny tany tao anatin’izany. Tavela tany ambanin’ny tany efa maherin’ny 10 metatra izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Vokany, mpitrandraka vato miisa efatra mirahaly, niara-maty. Olona valo hafa avotra soamantsara saingy nahitana ratra tamin’ny vatany. Efa noentina notsaboina eny amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo taorian’izay. Naharay antso mahakasika ny tranga ny mpitandro filaminana any an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga ifotony izy ireo vantany vao nahazo ny antso.
Raha ny fanazavana voaray, efa nisy fotoana dobo rano io toeram-pitrandrahana io ka nohitarin’ny mpitrandraka. Nalemy ny tamboho manodidina azy ka mety ho antony nahatonga ny loza. Nanano sarotra ny fanavotana ireo mbola velon’aina noho ny hatevin’ny tany nanindry ireo. Toy izay ihany koa ny fikarohana ireo vata-mangatsiakan’ny niharan-doza. Fahasemporana vokatry ny tsy fisian-drivotra niampy ny vesatry ny fianjeran’ny tany no nitarika ny fahafatesan’izy ireo, araka ny voka-pitiliana nataon’ny mpitsabo.

Mino

Partager sur: