Mirongatra ny trangana fakana an-keriny sy famonoana varira eto amin’ny Nosy. Efatra andro taorian’ny nakan’ireo olon-dratsy, an-keriny ilay zazavavy manana toe-tena varira, vao herintaona sy enim-bolana monja tany amin’ny fokontany Ankalika, kaominina an-drenivohitra Toliara I, ny alakamisy maraina teo. Hita afakomaly tolakandro, tany amin’ny fokontany Antsianaka, kaominina ambanivohitra Betsinjaka, distrikan’i Toliara II ny vata-mangatsiakany, izay efa tapa-doha. Nalevin’ireo olon-dratsy tao an-tokotanin’olona iray izay voalaza fa ombiasa ny razana. Nampandrenesina mahakasika ny tranga ny mpitandro filaminana. Nofongarina ny razana, nofonosina sy nafenin’’ireo olon-dratsy tao anaty lamba ary natao tao anaty lavaka.
Raha tsiahivina, nidiran’ ireo olon-dratsy an-keriny ny tokantranon’ny ray aman-drenin’ity zaza ity, ny alakamisy maraina tokony ho tamin’ny 1 ora. Nalain’ireo jiolahy ilay zaza varira vantany vao tafiditra izy ireo. Niezaka nanohitra ireo olon-dratsy ny dadan’ilay zaza ka nodarohana sy noratran’izy ireo.
Nanao ny fikarohana sy ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana taorian’izay. Miisa valo mirahalahy ireo olona voasambotra sy voatazona eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana any Toliara. Voasambotra teo anelanelan’ny alakamisy hatramin’ny omaly izany. Anisan’izany, ny ombiasa roa, mpianatra eny amin’ny oniversite, mpiasam-panjakana ary olon-tsotra. Mbola misy olon-kafa roa karohina. Manao antso avo ho an’ny mpiray tanindrazana sy ny mpitondra fanjakana ary ny mpitandro filaminana ny fikambanana albinos Madagascar. Mba iara-ientana hitady ny marina manoloana izao trangana tsy fandriampahalemana mahazo ny olona manana toe-tena varira izao.
Mino




