Fiara tsy mataho-dalana iray miloko mainty no niharan-doza tetsy Ambohitsiroa, afakomaly maraina tamin’ny 7 ora sy 45 minitra. Nitrangana lozam-pifamoizana naharatrana olona sy nanimba fananan’olona teo Ambohitsiroa, Niseho teo amin’ny lalana miakatra ho any Anjohy ny loza. Niala lalana ny fiara ka nifatratra tamin’ny tranon’ olona manamorona ny arabe. Vokany, mpandeha iray niaraka tamin’ny mpamily no naratra. Tsy naninona kosa ny olona tao an-trano.




