Hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Maorisy ny hetsika « Moris-Mada Business », andiany voalohany atao eto amintsika ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay.
Miara-misalahy ao anatin’izao ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Maorisy Madagasikara (CCIMM), ny Federasionin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Madagasikara (FCCIM) ary ny African Indian Ocean Chamber of Commerce and Industry (AIOCCI). Tanjona ny hanganana fiaraha-miasa ara-toekarena maharitra sy mivelatra aty amin’ny Ranomasimbe indianina. Manana tombontsoa iraisana i Madagasikara sy i Maorisy, raha ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, Rasolofoarison Misa. “Ho avy eto amintsika ny Maorisianina, efa voafaritra ihany koa ny zavatra tadiaviny. Noho izany, tokony hanana paikady mafy orina isika mba hiantohana ny fifandraisana ara-toekarena sy ny ho an’ny tombontsoan’ny firenena roa tonta”.
Sehatra stratejika
Vovonanana hampifandray ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny hetsika. Tanjona ny hampiroborobo ny fampiasam-bola, hanamora ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry fandraharahana sy ny fifaninanana ara-toekarena eo amin’ny faritra amin’ny alalan’ny tetikasa mafy orina. Handrafitra ny fandaharam-potoana ny hetsika ny fihaonan’ny samy mpandraharaha (B2B), ny fihaonan’ny mpandraharaha amin’ny fanjakana (B2G), ny dinika samihafa ary fitsidihana toeram-pamokarana sy orinasa eto amintsika. Ankilany, misongadina manokana ny sehatry ny “agroalimentaire”, ny fanodinam-bokatra ny lamba, ny angovo. Eo ihany koa ny fotodrafitrasa, ny tolotra ara-bola ary ny teknolojia niomerika. Fotoana ahafahantsika maneho fa sompitry ny ranomasimbe indianina i Madagasikara amin’ny alalan’ ny fampiroboroboana ny famokarana, fanodinanam-bokatra ary ny fanondranana. Hanampy amin’ny famoronan’asa hatrany amin’ny 10 000 ity iraka ara-toekarena ity.
Henintsoa




