Fandriana : Atao lalam-pamokarana ny 40 km

Maro ny tohana omen’ny fandaharanasa Defis any amin’ny distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’i Mania. Anisan’izany ny fanamboarana ny « Lalam-pamokarana », mirefy 40 km, notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randri­anirina Michaël sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, ny 23 mey teo. Voakasik’ity asa fanarenana ity ny lalana any Imito, Fia­danana, Sahamadio, Milamaina ary Sandrandahy. Vokany, misokatra kokoa ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra, mampiroborobo ny varotra sy ny toekarena eny ifotony. Maherin’ny 80 000 ny mponina misitraka mivantana ny fandaharanasa Defis, vatsian’ny Fida ara-bola, eo ambany fiahin’ny MiASA.
Ankoatra ny fanarenana ny lalam-pamokarana, notoloran’ ny minisitera MiASA fitaovana sy kojakojam-pamokarana koa ny tantsaha. Toy ny zezika, bisikileta, fanafody hiarovana ny voly, sns. Tanjon’ny fandaharanasa Defis ny hanamafisana ny famokarana sy hanatsarana ny fari-piainan’ny mpamokatra eny ambanivohitra. Maneho ny finiavan’ny fitondram-panjakana hanohanana ny tantsaha hisian’ny fampandrosoana maharitra ireo hetsika voatanisa ireo.

Njaka A.

Partager sur: