Voafidy ho filohan’ny “Alliance Régionale pour la Vanille” (ARV) Analanjirofo-Ambatosoa, Randrefahanana Ibrahim Anson. Hisolo tena ny mpisehatra eo anivon’ny “Alliance pour la Vanille de Madagascar” (AVM) i Iarindresy Simon sy Franck. Zava-dehibe ny hananganana rafitra ARV/AVM ahafahan’ireo mpisehatra mandray anjara amin’ny fanatsarana sy fikarohana vahaolana ho an’ny seha-pihariana lavanila. Ity farany izay miditra amin’ny taom-pamokarana sy isan’ireo mampidi-bola eto amin’ny firenena.
Hanamafy ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay, indrindra ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro ny dinika nataon’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Pr Maharvo Jean sy ny lehiben’ny tetikasa Asam Giz, Olivier Joffre. Marihina fa anisan’ny namoaka boky sy torolalana hanampiana ny taham-pamokarana trondro eto Madagasikara ny GIZ.
Tokantrano maherin’ny 55 000 no nahazo tombontsoa mivantana amin’ny asa famerenana amin’ny laoniny ny ala hatramin’ny taona 2021. Maherin’ny 120 000 kosa ireo nahazo fiofanana. Miantoka ny famoronan’asa maharitra sy mitsinjo ny tontolo iainana ny hetsika. Mampaharitra ihany koa ny fitantanana ny ala, ny famokarana “éco-épices”. Manampy koa ny famerenenana amin’ny laoniny ny ala honko ary fizahantany mitsinjo ny tontolo iainana.




