37% ny tahan’ny fahaketrahana ara-tsaina (dépression) eto Madagasikara raha 20% kosa ny Malagasy tratran’ny aretin-tsaina vokatry ny tebiteby (trouble anxieux), ho an’ny antontan’isa tamin’ny taona 2022, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Tsikaritra eo anivon’ny fiarahamonina fa miha-mahazo vahana ny olana eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina sy ny tranga famonoan-tena. Anisan’ny voakasika manokana ny tanora. Mizarazara anefa ny fiheveran’ny tsirairay izany fahaketrahana izany. Zavatra foronina fotsiny io fa tsy misy, hoy ny olona sasany. Fahalemena ara-tsaina ilay izy, araka ny fahitan’ny hafa azy. Izay no nahatonga ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ireo mpiara-miombon’antoka nikarakara adihevitra hifampizarana ireo tsara ho fantatra rehetra mahakasika ny fahaketrahana sy ny fahasalamana ara-tsaina amin’ny ankapobeny, ny mety ho fiatraikany, ny famantarana, ny fanohanana azo hatao sy ny toerana aleha hitsaboana azy. Teny amin’ny toeram-pivoriana, teo Mahamasina, no nandraisana ny adihevitra sy fifampizarana ny faran’ny herinandro teo.
Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatajahantena ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar momba ny lohahevitra hoe : « Ny fahaketrahana ara-tsaina na ny dépression ». Ny fahaketrahana ara-tsaina dia aretina mahazo ny saina izay miseho amin’ny alalan’ny alahelo lalina sy maharitra, fahaverezan’ny fahalianana na fahafinaretana amin’ireo zavatra nahazatra sy nahafaly teo aloha, ary fihenan-kery na havizanana tsy ara-dalàna. Mety hisy fiantraikany amin’ny fisainana, ny fihetseham-po, ny fitondran-tena ary ny fahasalamana ara-batana izany. Anisan’ny nahafahana nanala ireo eritreritra diso momba ny fahaketrahana ara-tsaina ity famelabelaran-kevitra ity. Satria, mbola maro no mieritreritra fa tsy tena aretina izy io. Mankasitraka ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatajahantena ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar amin’ny firesahana ny fahasalaman’ny saina satria andraikitra iraisana ny fampahafatarana ny fahasalaman’ny saina ho an’ny vahoaka malagasy.
Maro ny olona nanoina ny antso nataon’ny mpikarakara izay nahitana ray aman-dreny sy tanora liana momba ny fahasalaman’ny saina amin’ny ankapobeny.
Vonjy




