Notanterahina teny amin’ny ESPA Vontovorona, ny faran’ ny herinandro teo, ny fanokanana ny « Photomètre solaire CIMEL CE318 » voalohany eto Madagasikara. Fitaovana ampiasaina ao amin’ny lalam-piofanana Météorologie sy Hydrologie, izay manampy amin’ny fikarohana momba ny atmosfera, ny faminavinana ny toetr’andro, ny fitaterana ana habakabaka ary ny fanaraha-maso ny tontolo iainana. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Oniversiten’i Lille any Frantsa no nahazoana ny fitaovana, izay tafiditra ao anatin’ny tambajotra iraisam-pirenena Photons/Aeronet. Nisy ny fampisehoana nataon’ireo mpianatra momba ireo angon-drakitra voalohany azo teto Madagasikara tamin’ity fitaovana ity. Nanentana ny mpianatra kosa ny minisitra hikajy sy hitandro tsara izany ho an’ny taranaka manaraka.
Vonjy




