Nikarakara adihevitra ho an’ny fianakaviana mahakasika ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindrana fiterahana ho an’ny fianakaviana ny fikambanana Fianakaviana Sambatra, ny faran’ny herinandro teo ,teny Ambatomitsangana. Lohahevitra niompanan’ny dinidinika ny hoe : « Tanora tompon’andraikitra sy fianakaviana voaaro manorina fiarahamonina sambatra ». Fianakaviana efatra, nahitana ray aman-dreny sy ny zanany no nifanakalo hevitra sy traikefa momba ny lohahevitra. Tanjona ny hanana fianakaviana mivelatra, mitambatra mahasahy miresaka momba ny fananahana ara-pahasalamana tsy misy henatra na tahotra. Maro ny fianakaviana eto amintsika no tsy sahy mitafa mivantana amin’ny zanany ny ray aman-dreny momba io lohahevitra io. Nefa, anisan’ny mamaritra ny hoavin’ny taranaka izany. Matetika, tsy manana valin-teny mahafapo ny ankizy sy ny tanora izy ireo ka minia tsy miresaka izany ao an-tokantrano. Azon’ny ray aman-dreny atao anefa no mandefa ny zanany manatona ny toerana misy olona nahazo fiofanana mahakasika ny fandraisana tanora hahazo fahalalana feno mifanaraka amin’ny taonany. Ray aman-dreny manan-janaka 11 ka hatramin’ny 18 taona no nanatrika ny fifampizarana ny faran’ny herinandro teo. Ireo mpanentana ara-pahasalamana no nanao fanentanana ireo fianakaviana teny anivon’ny fokontany mamantatra ireo vonona handray anjara. Nanatontosa hetsika mitovy amin’ity niseho teto Antananarivo ity koa ny Fisa isam-paritra, hoy ny mpandrindram-paritry ny Fisa eto Antananarivo.
Vonjy




