INDRAY MIJERY

Tontosa ny famaranana ny ampahibemaso ho fandraisana ireo mopampianatra ho mpiasam-panjakana, eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Mpiasa tsy raikitra miisa 250 izay efa niasa eo anivon’ny minisitera sy ireo toeram-pampianarana no voakasik’ity dingana notanterahina amin’ny fomba mangarahara ity. Nanomboka ny 11 mey lasa teo, nitety ireo fitaleavam-paritra 22 manerana ny Nosy ireo mpikambana ao amin’ny “commission de recrutement” sy ireo teknisianina, niaraka tamin’ny solontenan’ny Bianco sy ireo tomponandraikim-panjakana eny an-toerana hiantohana ny fahitsiana nandritra ny ampahibemaso.
Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, tany Mahajanga, nandritra ny fitsidihany fa hatsangana eny amin’ireo oniversite enina ny “Campus Universitaires” mahazaka mpianatra 5 000 isa, anisan’izany ny oniversite ao an-toerana. Efa manomboka ny asa fanamboarana ny lalana miditra sy ao anatin’ny oniversite. Nanolotra “hotspot wifi gratuit” sy solosaina miisa 100 ho an’ny oniversiten’i Mahajanga ny filoha ary nanolotra lelavola 20 tapitrisa Ar ho an’ny mpianatra ihany koa izy.
Tsy hisy fandeferana intsony, hoy ny filohan’ ny oniversiten’i Toliara manoloana ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea 2026. Nivoaka ny 8 avrily lasa teo ny fanapahan-kevitry ny filankevi-pifehezana manambara ny sazy miandry ireo mandika lalàna. Nandritra ny bakalorea 2025, mpiadina miisa 20 no voasazy tsy mahazo miatrika fanadinana mandritra ny taona iray noho ny fakana tahaka. Ho an’ireo mpiadina 17 hafa kosa izay tratra ambodiomby mihitsy, tsy mahazo miatrika fanadinana mandritra ny dimy taona.

Partager sur: