Ankorondrano : Mpanao taxi-moto nokendain’ny jiolahy

Mpanao taxi-moto iray indray lasibatra tetsy Ankorondrano ka tratra ireo nahavanon-doza, ny 30 mey teo.

Nokendain’ny jiolahy roa tamin’ny alalan’ny kibay, ny mpanao taxi-moto iray teny Ankorondrano, ny sabotsy 30 mey teo. Niala teo Analakely io Taxi-moto io ary nitondra olona hihazo an’ Ankorondrano. Roa lahy no nentin’ilay mpanao taxi-moto tamin’io alin’ny sabotsy hifoha ny alahady io. Nigadona tamin’ny toerana nifanarahana, namoaka kibay ny iray tamin’ireo mpandeha. Notereny avy hatrany ny tendan’ilay mpitondra taxi-moto raha toa ka naka ny moto ilay faharoa. Nentin’ izy roa lahy nandositra io moto io taorian’izay. Tsy naratra sady nahatsiaro tena tsara, niantso avy hatrany ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy ilay lasibatra. Hitan’io mpanao taxi-moto io rahateo fa nizotra niverina nihazo ny Renivohitra ireo olon-dratsy vantany vao nahazo ny moto.

Narahina tamin’ny GPS

Nanomboka tamin’ny ma­rain’ny alahady 30 mey, ta­min’ny 1 ora latsaka, nanao ny fomba rehetra hisamborana ireo mpangalatra ny mpitandro filaminana. Narahin’ny tomponandraikitra tamin’ny alalan’ny GPS ny moto. Nija­nona tao Ambohijanaka ireo mpanao ratsy, araka ny fa­mantarana nomen’io fitaovana io. Nodidinin’ny mpitandro filaminana ny toerana voatondron’ilay GPS. Tratra nivoaka ny toerana voatondro ireo roa lahy niaraka tamin’ny kibay nampiasainy. Voasambotra ireto farany ary sarona niaraka tamin’ny moto halatra. Naverina tamin’ny tompony io fitaovam-pitaterana io taorian’ny fanadihadiana. Atolo­tra ny fampanoavana kosa ireo jiolahy. Manentana ireo mpampiasa moto, indrindra ireo mpanao taxi-moto ny mpitandro filaminana ho malina hatrany hisorohana ny tranga tahak’izao.

Tsiferana R.

Partager sur: