66 taonan’ny fahaleovantena : Nosokafana tamin’ny fananganan-tsaina

Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasi­kara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Natomboka ta­min’ny fananganan-tsaina, teo anatrehan’ny manam-pahefana ambony, sivily sy miaramila, mpanolotsaina ambony eo anivon’ ny governemanta, ny Praiminisitra ary ny solontenan’ny antokom-pivavahana izany. Nitohy tamin’ny kabary isan-karazany avy eo. Nampiavaka ny hetsika ny fisian’ireo voromailala 66 isa nanidina teo an-toerana. Mariky ny fihavanana sy firaisankina ary fanantenana hoavy tsaratsara kokoa ho an’i Mada­gasikara. Nanamarika ny lanonana koa ny fitondrana ny sainam-pirenena nataon’ireo taranaky ny namorona azy. «Fana­vaozana ho an’ny fandrosoan’i Madagasi­kara», no lohahevitry ny lanonana.
“Fotoana anaovana jery todika ny lasa sy andinihina ny ankehitriny ary hibanjinana ny hoavy izao faha-66 taonan’ny fahaleovantena izao”, hoy ny jeneraly Randrianilainatiana Dodo, filohan’ny komity teknika nasionalin’ny mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena (CTNO). Nambarany fa mikendry ny hamelona sy hanamafy ny fitiavan-tanindrazana, ny firaisam-pirenena ary ny fanamafisanany maha Malagasy izao. « Fahatsiarovana ny tolona sy ny fitiavan-tanindrazana nataon’ireo razambe no nahazoana ny fahaleovantena », hoy kosa ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Razafitombo Maminirina Ely. Nohamafisiny fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary amin’ny fiatrehana ireo fanamby samihafa atrehin’ny firenena ny Foloalindahy.

Mino

Partager sur: