Marefo avokoa ny ankamaroan’ny rafitra eto Madagasikara. Miteraka sakana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny lafiny sosialy izany. Mbola voafetra ny fitomboan’ny harinkarena satria ambany ny famokaran’ny sehatry ny fambolena, eo koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, ny fisian’ny loza voajanahary miverimberina, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Mananosarotra koa, hoy izy, ny fisitrahana ireo tolotra fototra. Marefo ny firenena manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Ankilany, ambany ny lelavola entina mampivoatra ny sehatry ny maha olona. Manodidina ny 0,39 monja izany ka anisan’ireo ambany indrindra maneran-tany. Mahazo vahana ny fahantrana lalina izay miantraika amin’ny ankamaroan’ny mponina. Vokany, anisan’ireo firenena marefo ara-toekarena i Madagasikara. Nambarany hatrany fa mijanona ho olana lehibe ny fahantrana any ambanivohitra. Nitotongana ihany koa ny fari-piainan’ny mponina an-tanàn-dehibe nandritra ny 10 taona farany. Ankoatra izay, nihena ny tahan’ny Gini (mari-pamantarana ny fidiram-bola). Tafidina ho 36, 8 izany ny taona 2022 raha toa ka 38,2 tamin’ny taona 2012. Tarehimarika izay maneho ny fitombon’ny fahantrana an-tanàn-dehibe sy ny fitotonganan’ny fari-piainana.
Henintsoa




