Sakafo andavanandro : Misotro ronono 7 litatra isan-taona ny Malagasy iray

Mbola ambany ny tahan’ny fisotroan’ny Malagasy ro­nono raha oharina amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 7 litatra monja isan-taona no lanin’ny Malagasy iray. Izany hoe, latsaky ny iray litatra isam-bolana, araka ny antontanisa navoakan’ny Ma­lagasy Dairy Board (MDB). Lavitra ny salan’isa 100 litatra isan-taona atolotry ny fenitra maneran-tany izany, ka mampametra-panontaniana eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fampandrosoana ny toekarena.
Matanjaka ny famokarana ronono eto Madagasikara. Ma­mokatra ronono manodidina ny 4,5 tapitrisa litatra isan-taona ny faritra efatra mandrafitra ny “triangle du lait” misy an’Analamanga, Itasy, Vaki­nankaratra ary Bongolava. Amidy avokoa ny 4,2 tapitrisa litatra amin’izany raha avadika fromazy kosa ny 1 100 taonina. Ao anatin’izany, mitaky ronono 10 litatra ny famokaran fromazy iray kilao.
Vokatra
Ankilany, hotanterahina etsy amin’ny zaridainan’Anta­ninarenina, ny zoma sy asabotsy izao, ny Andron’ny ronono. Hetsika hanomezan-danja ny sehatra sy hampiroboroboana ny fihinanana vokatra avy amin’ny ronono eto an-toerana. Tanjona ny hampahafantarana ny tombontsoa azo avy amin’ny ronono sy ny vokatra avy aminy. Hetsika hampirisihina ihany koa ny fisotroana ny ronono vokarina eto Madagasikara. Hisy ny fanentanana maro samihafa hanomezana sehatra sy ha­nandratana ny vokatra vita malagasy sy hisarihana ny fanjifana ny vokatra vokarina sy ahodina eto an-toerana.

Henintsoa

Partager sur: