Any Toliara: Hatsangana ny foibe itobian’ireo zaza varira

Manoloana ny famonoana olona varira nisesy, izay mampivarahontsana, mijoro hiaro azy ireny ny fanjakana. Hatsangana ny foibe hitobian’ireo zaza varira ary hahetsika ny ekipa mpiaro ny zon’ny zaza, manerana ny Nosy.

Nandritra ny lahatenin’ny filohan’ny Fanavaoza­na ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara (PRRM), ny kolonely Randrianirina Mickaël, no nilazany fa hatsangana ny toby fitaizana sy fiarovana ny ain’ireo zaza manana toetena varira any Atsimon’ny Nosy.
Ahitana sekoly, toeram-pivavahana sy toerana ho an’ny mpitandro filaminana izany toby izany. Natao hiarovana ny ain’ireo zaza manana toetena varira, manoloana ny sotasota sy famonoana ataon’ ireo olon-dratsy, no antony ha­nanganana izany.
Efa voafaritra ny tany ha­metrahana ny fotodrafitrasa ary ho hentitra ny fitantanana izany, araka ny tenin’ny PRRM hatrany. Tena mandry an-driran’antsy ireo fianakaviana manan-janaka manana toetena varira.
Tetsy andaniny, nanao fa­nambarana avy hatrany ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, Miarimbitana Andria­tiana, omaly, tetsy Ambohija­tovo, manoloana ny herisetra mianjady amin’ny olona ma­nana toetena varira, amin’ny maha mpiahy ny maha olona azy ireo.
Nomena toromarika ny ta­lem-paritry ny Mponina manerana ny Nosy mba hanetsika avy hatrany ny tambajotra fiarovana ny ankizy, ahitana mpitandro filaminana, fitsarana fahasalamana, fokontany sy ireo vondron’olona ifotony. Misokatra ny laharana mai­tso147, antsoina maimaimpoana, hahafahana mitatitra sy mitoroka momba ireo herisetra mahazo ny varira.
Manoloana ny finoanoam-poana dia hamafisina ny paikady iarahana amin’ireo Soja­be sy raiamandreny eny an-tanàna ary ny mpitandro filaminana ialana amin’izany fa­monoan’olona izany. Olombe­lona mitovy amin’ny rehetra ny olona varira ary arovan’ny lalàna, manan-jo hiaina am-pilaminana.
Manao antso avo amin’ny olona miandraikitra ny fanadihadiana ny Filohan’ny Fana­vaozana fa raha misy olona ambony ambadik’izao famonoan’olona izao dia avoahy amin’ny vahoaka malagasy.

Tatiana A

Partager sur: