Namoy ny ainy rehefa nitambotsotra tampoka teo am-panasana lamba ny renim-pianakaviana iray 55 taona, omaly maraina, tetsy amin’ny ranon’Ikopa Andohatapenaka. Nianjera izy ka latsaka tao anaty rano ary maty tao.
Renim-pianakaviana iray 55 taona, maty an-drano tao amin’ny ranon’Ikopa, tetsy Andohotapenaka, ampitan’ny Gara Maki, omaly tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Nanasa lamba teny amin’io rano io izy no nitambotsotra tampoka, ka latsaka tao anaty rano, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso. Nilentika izy ka lasa tamin’ny toerana lalina. Niantso vonjy ny mponina teny amin’ny manodidina rehefa nahita izany. Nifampisintoman’ny olona izy fa votsotra hatrany. Natao ny fikarohana azy ary olona efa tsy nahatsiaro tena no nampiakarina avy ao anaty rano. Nanapa-kevitra ny nanatitra azy teny amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka ny fokonolona. Natao ny fizahan’ny mpitsabo ary efa tsy avotra intsony ity farany. « Sempotra tao anaty rano ity renim-pianakaviana ity no nitarika azy tamin’ny fahafatesany », raha ny fizahan’ny mpitsabo ny razana.
Nampandrenesina mahakasika ny zava-nitranga ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo taorian’ny antso.
Nisy aretina mitaiza
Nambaran’ny fianakaviany tonga naka ny razana teny anivon’ny hopitaly Manara-penitra fa matetika manasa lamba eny amin’ny ranon’Ikopa io renim-pianakaviana niharan-doza io. Manana aretina mitaiza toy ny tosidra miakatra izy. Ankoatra izay, nambaran’ny mponina teny an-toerana fa toerana misy fady sy tsy tia vahiny iny ranon’Ikopa iny ka ilaina fitandremana ho an’ny tsirairay mampiasa ny rano. Nohamafisin’ny olona ihany koa fa anisan’ny toerana ahitana olona betsaka maty an-drano ny ranon’Ikopa. Efa miha lalina ihany koa ny rano noho ny hamaroan’ireo mpaka fasika sy mpanao biriky eny an-toerana.
Marihina fa efa nalain’ny fianakaviany moa ny razana, omaly ihany. Monina sy mipetraka eny amin’ny fokontany Andohatapenaka izy. Manambady ary namela zanaka miisa telo.
Mino




