TSELATRA

Tra-doza tampoka, saika tery tao ambany kamiao ny lehilahy iray nanolo kodiarana, tao Ambositra, omaly. Nilatsaka tampoka ny tohana nampiasain’io olona io. Avotra noho ny fisian’ilay kitapon-drivotra lehibe tamin’ilay kamiao izy.
Tovovavy iray mpianatra eny amin’ny St Michel Itaosy hifampitadiavan’ny fianakaviany, nanomboka afakomaly. Niala ny trano fonenany, hiditra amin’ny 1 ora sy 45 minitra izy, kanefa tsy tonga tany am-pianarana. Tsy hita nanomboka teo. 15 taona io ankizivavy io.
Notanana am-ponja ireo roa lahy mpamaky fasana saron’ny polisy tao Maroantsetra, afakomaly. Nifanena tamin’ny mpitandro filaminana ireo mpamaky fasana ireo. Naneho fihetsika mampiahiahy sady nitondra entana tanaty fonosana maromaro ireo lehilahy ireo.
Naiditra vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy voasambotry ny polisy teny Sabotsy Namehana, ny 29 mey teo. Namaky tranon’olona, nentin’izy roa lahy nandositra ny entana. Nametraka fitoriana ny tompon-trano lasibatra. Tra-tehaka ireto farany.

Partager sur: