VAOVAO TAMBATRA

Mila mazava avokoa ny tahirin-jirofon’ireo mpandraharaha ho an’ny taom-piotazana 2025-2026. Tsy maintsy avahana amin’izany ny jirofo manara-penitra sy ireo efa naotrika. Tokony hampahafantarina ihany koa ny habetsany. Manana hatramin’ny 20 jona ireo mpisehatra rehetra hanamarina ny tahirim-bokatra ananany. Hisy ihany koa ny fidinana ifotony ataon’ireo tomponandraikitra, handrefesana ny tahirin-jirofo ananany.

Nampiofana momba ny fandraisana andrai­kitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana (RSE) teny amin’ny foiben’ny FivMpaMa Ambohimanambola ny tomponandraikitry ny Innoveo. Nisy ny fifanakalozan-kevitra momba ny lalam-pihariana lavanila, nampitomboina ihany koa ny fahaiza-manaon’ireo mpandraha­raha nanatrika izany.

Manana hatramin’ny 30 jona ireo rehetra mise­hatra amin’ny lavanila hanao fanambarana momba ny tahiry ananany ho an’ny taom-piasana 2025-2026 eny anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Hitsirika sy hanamarina izany ireo tomponandraikitra mahefa. Hivoaka aorian’io kosa ny taratasy fanamarinana ny fisian’ny tahiry.

Partager sur: