Niarahaba ireo mpianatra ao amin’ny EPP Manakambahiny ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, ho fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy, ny alatsinainy teo. Nihaino ny fangatahan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, mpampianatra, ary talen-tsekoly ihany koa ny tenany.
Endrika hosoka sy kolikoly eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ka mahavoasazy, araka ny lalàna ny fivarotana, fividianana na fanaparitahana laza adina. Tsy vitan’ny manimba ny hasin’ny fanadinana izany fa mamotika ihany koa ny hoavin’ny mpianatra sy ny fiarahamonina.
Amin’izao Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy izao, mampahatsiahy fa manan-jo ny hianatra sy hiala voly ny ankizy, hiaina anaty tontolo madio, ahafahany mitombo sy manatanteraka ny nofinofiny. Izy ireo no harena sarobidy indrindra ho an’ny firenena, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mila manana nofinofy lehibe, mianatra tsara ary matoky tena izy ireo.




