Tratra nangalatra : Lehilahy saika nodorana velona

Voasambotry ny fokonolona, nofatorana ary efa natao tao anaty kodiarana sy mololo, ny lehilahy iray tratra nangalatra tao amin’ny faritry ny Oniversite Toliara, omaly maraina. Leo hala-boty sy asa ratsin’ireo mpangalatra, tsy namelan’izy ireo io lehilahy sarona teo am-panaovana ny asa ratsiny io raha tsy voasambotra. Tsy nisy alaharo, nentin’ny hafanam-po ny ankamaroan’ireo nahasambotra azy. Nanita-kevitra handoro velona tamin’ny alalan’ny kodiarana. Naharay ny loharanom-baovao ara-potoana anefa ny mpitandro filaminana. Niga­dona tao amin’ny toerana voalaza ka niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny tranga. Natsahatra ny fikasan-dratsin’ny fokonolona hanao fitsaram-bahoaka. Nentina hatao famotorana io lehilahy io ary hampiharina aminy ny lalàna. Manen­tana ny olom-pirenena sy ny fokonolona hatrany ny mpitandro filaminana mba tsy hanao fitsaram-bahoaka. Entanina hitondra ny olona voarohirohy eny anatrehan’ny manam-pahefana mba hanaovana ny fanadihadiana sy ny famotorana rehetra, hisorohana ny mety ho vono olona sy hipotran’ny marina.

Tsiferana R.

Partager sur: