Olona 14 no voasambotry ny zandary ary 4 voasambotry ny polisy tamin’ilay afera fakana an-keriny zazalahikely varira tany Beroroha, niseho ny fiandohan’ny herinandro teo.
Alefa avy hatrany hiatrika ny sazy famonjana eny Tsiafahy ireo olona 18 voakasiky ny famonoana ilay zaza varira, araka ny toromariky ny filohan’ny Fanavaozana. Vonoan’olona tamin’ny fomba feno habibiana no nataon’ireo ka mihatra ny sazy asa an-terivozona mandra-pahafaty, raha ny fanazavan’ny Procureur any Toliara.
Mbola mitohy ny fanadihadiana hahitana ireo tena atidoha nikotrika ny fakana an-keriny sy famonoana olona manana toe-tena varira nisesy tany an-toerana. Io no vokatry ny hetsika nataon’ny fanjakana tany Beroroha, notanterahin’ireo mpitandro filaminana.
Namonjy haingana ny tobin’ ny zandarimariam-pirenena ao Tsianaloka ny delegasionina ary namolavola paikady maharitra mba tsy hiverenan’ny tranga mamoa-doza intsony. Tanjona ny fiarovana tanteraka ny ain’ireo olona manana toe-tena varira any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
Ny ivoahan’ny anaran’ireo olona ambony, tompon’antoka voalohany, amin’ny fiarovana ity aferana famonoana olona varira ity hatramin’izay no tena andrasan’ny vahoaka ary itakiana ny fahaiza-miasa sy fahasahian’ny fanjakana mijoro amin’izao fotoana.
Ahina ara-tsosialy
Ho fanamafisana ny fiahiana izay efa iandraiketan’ny minisiteran’ny Mponina sy firaisankina ny ivotoerana Semafa, mandray an-tanana ireo olona manana toe-tena varira ao Farafangana, dia nisy ny fanolorana fanampiana sy vatsy ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho azy ireo. Niroso avy hatrany tamin’ny famoriana ny RPE ho fanetsehana azy ireo momba ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra ireo tomponandraikitra tonga tany an-toerana.
Nihaino ny fitarainan’ny mponina sy ny ahiahin’izy ireo momba ny tsy fandriampahalemana ny minisitry ny Mponina tany Beroroha. Nanamafy ny fahavononan’ny fanjakana amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny olom-pirenena rehetra izy.
Tatiana A




