Ny 7 marsa, tonga tao Toamasina nanao fanadihadiana sy nijery ifotony ny fahavoazana i Seck, solontenan’ny Banky iraisam-pirenena monina sy miasa eto Madagasikara. Nisy, noho izany, ny fihaonan’ity solontenan’ny Banky iraisam-pirenena ity tamin’ny mpandraharaha eo anivon’ny oniversite notarihan’ny filohany, ny profesora Razanakolona Diny, sy ny solontenan’ny mpianatra. Nambarany fa iantohan’ny Banky iraisam-pirenena ny fanarenana ny fotodrafitrasa toy ny trano fivoahana sy fidiovana, ny herinaratra, ny rindrina sy ny lokony, ny fampitaovana maro samihafa ary hatomboka tsy ho ela ny asa. Mialoha izany, hapetraka ny tariby mitondra herinaratra hahafahan’ny mpianatra hamahana finday. Omena Wifi maimaimpoana mandritra ny enim-bolana ny Campus”. Vita ny 10 marsa ny fifanaovan- tsonia momba izany. Roa volana sy 24 andro aty aoriana, mbola tsy hita ny tohiny. Tezitra amin’ny fampanantenana ny mpianatra sy mpandraharaha. Isaorana kosa ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Noraisin’ny ONG Soa an-tanana ny fanafoana fanitso ny efitrano fito. Ny ezaka nataon’ny Spat ary ny avy tamin’ny BNGRC. Nohamafisin’ ireo mpianatra sy mpandraharaha fa tsy ny tafo no lasan’ny Gezani fa potika koa ny rindrina, ny trano fivoahana sy fidiovana, lakozia. Raha ny fantatra, nandritra ny fanadihadiana natao momba ny fotodrafitrasan’ny Oniversiten’i Barikadimy, miisa 78 ireo birao sy efitrano fianarana simba. Misy fotodrafitrasa 30 mbola tsy voakitika y fanarenana azy ka hanaovana antso avo amin’ny Banky iraisam-pirenena izay nampanantena hanampy.
Sajo




