Fahasalamana : Olona 1 amin’ny 1 000 no teraka mivadi-tongotra

Nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ireo olona mi­vadi-tongotra (pied-bot), oma­ly, no nampahafantarana fa misy ny fitsaboana “Ponse­ti” azo atao amin’izy ireny dieny mbola kely. Efa maherin’ny 4 000 ireo ankizy nisitraka izany fitsaboana izany teto Madaga­sikara. Ary raha vantany vao teraka ny zaza dia afaka atomboka sahady ny fitsaboana, na dia telo andro monja aorian’ny fahaterahana aza.
Ny mivadi-tongotra dia fahasembanana eo amin’ny tongotry ny zaza miseho hatrany am-bohoka. Raha tsy voatsabo ara-potoana izy io dia mety hitarika fahasembanana maharitra ka hanasarotra ny fivezivezen’ny ankizy eo amin’ny fiainany andavanandro. Tombanana ho 1 ka hatramin’ny 2 amin’ny zaza 1 000 teraka velona no ahitana ity trangan’aretina fahasembanana ity. “Hetsika mialoha ho an’ny ankizy tsirairay: fitiliana, fitsaboana ary fanaraha-maso ny mivadi-tongotra eto Mada­gasikara.” Io ny lohahevitra novoizina nandritra ny fanamarihana.
Misy ny hetsika fanentanana sy fitiliana manerana ireo Faritra 24 eto Madagasikara mba hahafahana mamantatra sy manampy ireo ankizy voakasik’ity fahasembanana ity.

Tatiana A

Partager sur: