Mitentina 2 500 tapitrisa dolara ny tetibidin’ireo fitaovana natolotra ho an’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), teny Ampandrianomby, omaly. Fampitaovana hanamafisana ny fahafahan’ny minisitera manatanteraka ny andraikiny.
Tafiditra ao anatin’izany ny fiara tsy mataho-dalana (Pick-Up) miisa 38, moto « cross » 55, « laptop » miisa 55. Eo ihany koa ireo solosaina fampiasa am-birao 10, « imprimante » 38, Vidéo projecteur sy écran miisa 2 ary Photocopieuse miisa 3. Fampitaovana natao hanohanana sy hanatsarana ny fitantanan-draharaha sy ny kalitaon’ny asa izany. Anisan’izany ny fanaraha-maso sy fitsirihana tobim-pamokarana solika miisa 343, tobim-pitahirizana solika 37 ary tobim-pamokarana herinaratra 10. Tafiditra ao anatin’izay koa ireo fiara mpitatitra solika an-jatony, ny sambo mpitatira solika ary ireo toerana fikirakirana solika ho an’ny indostria. Tetikasa tafiditra amin’ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana sy ny Banky iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa « Lead ». Haparitaka eny amin’ny biraon’ny talem-paritra sy ny rantsamangaikan’ny minisitera manerana ny Nosy ireo fitaovana ireo. « Iray amin’ireo fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy sosialy eto Madagasikara ny sehatry ny angovo sy ny akoranafo, antony nametrahana ho laharam-pahamehana ny fanamafisana ny fampitaovana ny minisitera sy ny sampandraharaha rehetra ao aminy», hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny lahateniny.
Famokarana
“Himasoan’ny fanjakana ny hamokarana angovo azo havaozina, indrindra ny mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Angovo hatramin’ny 526MW no vinavinaina ho azo ao anatin’ity famokarana ity. Entina handrakofana izany ireto fampitaovana ireto”, hoy ny minisitra Rabearimanga Lucas. “Ankilany, ampy ny famokarana angovo amin’izao fotoana raha oharina ny tamin’ny taon-dasa”, hoy ny tale jeneralin’ny Jirama, Rasolomanana Hajatiana. Ampy ihany koa ny famokarana rano enti-mamatsy ny isan-tokantrano. Hitombo 20 000 m3 ny famokarana afaka andro vitsy, raha ny fanazavany hatrany. Ankoatra izay, vita Sonia, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny orinasa Logwaste. Tetikasa hanamafisana ny fahaleovantena ara-angovo, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny famoronana loharanon-karena vaovao hampandrosoana ny firenena. Voakasika ao anatin’izao ny MEH sy ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana.
Henintsoa




