Mitohy ny lalan’ny Ankoay, sokajy lehilahy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, tanterahina any Pologne, raha toa ka nifarana tamin’ny andro fahatelo kosa ny lalan’ny sokajy vehivavy. Taorian’ny fandresena indroa nisesy azon’ny sokajy lehilahy, hiatrika ny “Play in” izy ireo, rahampitso zoma 5 jona, ka ny laharana faharoa ao amin’ ny vondrona D, i Frantsa, no hifanandrina amin’ny Malagasy amin’izany, ka hiady ny tapakila ho amin’ny lalao ampahefa-dalana.
Raha hiverenana ny lalao natrehin’ny Ankoay, sokajy lehilahy, ny alarobia lasa teo, nametraka tantara i Marco, Elly, Arnol ary i Anthony. Taorian’ny fandresena, 22 no ho 17, nanoloana ny ekipa kalaza, i Australie, nanilika ny ekipa tompondaka maneran-tany farany, dia i Espagne, ihany koa, i Madagasikara. Isa 20 no ho 19 no nahazoan’ ny ekipa malagasy ity fandresena miezinezina ity, ka nahatafapetraka antsika ho eo amin’ny laharana fahatelo mendrika indrindra, hahafahan’izy ireo miatrika ny “Play in” rahampitso. Mila ny fanohanan’ny Malagasy tsivakivolo ny Ankoay, amin’io lalao rahampitso io, hahafahan’izy ireo manohy manoratra tantara. Tsiahivina fa ekipa 20 amin’ny 200 maneran-tany no mandray anjara amin’ity fiadiana ny amboara maneran-tany ity ary anisan’izany i Madagasikara. Ekipa tokana manerana an’i Afrika kosa no mifaninana amin’ity “World Cup” ity, dia i Madagasikara izany.
Mi.Raz




