Tovolahy tsy salama saina: Nolerany antsy inefatra ny anabaviny

Voatsatoka inefatra tamin’ny antsy, tsy tana ny ain’ny vehivavy iray tao Manjakandriana, afakomaly. Nahavanon-doza ny anadahiny.

Nentin’ny fokonolona iala­na nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny tovovavy vao erotrerony tao Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly. Nivoa-dra be loatra vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy io vehivavy io. Miaraka monina amin’ny reniny ireo mpianadahy ireo. Nivoaka maraina anefa ilay reny, ny alakamisy 4 jona teo, tamin’ny 4 ora. Navela irery tao an-trano ireo zanany kanjo namoa-doza ilay anadahy. Naka antsy, nolerany avy hatrany ity anabaviny iray kitapo nifonosana taminy. Niki­akiaka ren’ny manodidina io lasibatra io. Nifamonjena ka nentina teny anivon’ny mpitsabo. Nandrika anefa ny ra vokatry ny ratra mafy nahazo azy. Trobaka teo amin’ny lohany sy feny. Notatahan’ilay anadahiny tamin’ny antsy ny sorok’io anabaviny io ary naratra ny tratrany.
Notsaboina
Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny tomponandraikitra eo anivon’ny zandarimaria, ao amin’ny tobim-paritra Andriampamaky. Niroso tamin’ny fihazonana an’ilay lehilahy nahavanon-doza izy ireo. Voamarina tamin’ny alalan’ny famotorana fa tsy salama saina loatra io lehilahy namono nahafaty ny anabaviny io. Voatery nentina eny anivon’ny toby natokana hitaizana ireo marary saina, araka izany, ity farany. Fanapahan-kevitra noraisin’ny manam-pahefana, hisorohana ny voina tampoka tahak’ity niseho tao an-toerana ity. Niroso tamin’ny fikarakarana ny vatana mangatsiakan’ilay vehivavy namoy ny ainy ny fianakaviany.

Tsiferana R.

Partager sur: