Voasambotra ny nahavanon-doza : Ankizivavy 13 taona maty naolan’ny rainy

Ankizivavy 13 taona indray no maty ny talata teo noho ny fanolanana nataon’ny dadany niteraka azy, tetsy Ivandry. Raha ny fanazavana voaray, nanomboka nitaraina ho narary io ankizy io ny alarobia 27 mey lasa teo. Anisan’ny nitarainany mafy, tamin’izany, ny tao amin’ny faritry ny mahavehivavy azy, raha ny fanazavan’ny mpiara-monina sy ny mpiara-mianatra taminy. Niha nitombo ny aretiny ka tapa-kevitra ny hitondra azy tany amin’ny hopitaly ny ray aman-dreniny, ny alahady alina 31 mey lasa teo. Tsy fantatra mazava ny valin’ny fizahan’ny mpitsabo tamin’izany. Nan­deha ny fotoana, ary namoy ny ainy, ny talata 2 jona lasa teo ity zazavavy ity. Nam­pandre ny polisim-pirenena avy amin’ny kaomisarian’ny Boriboritany fahavalo (CSP8) Analamahitsy, mahakasika ny zava-nisy ny mpiara-monina nanomboka teo. Nambaran’ izy ireo, tamin’izany, fa fanolanana no mety ho nitarika ny fahafatesan’io ankizivavy io. Nidina ifotony nijery, nanao ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo taorian’ny antso.
Vaosambotra ny
nahavon-doza

Nanamafy hatrany ireo mponina fa ny rain’ilay ankizivavy io (54 taona) no nahavanon-doza sy nahavita nanolana ny zanany vavy. Nanapa-kevitra ny hisambotra ilay voarohirohy, araka izany, ny polisy, afakomaly 4 jona. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny kaomisaria ny tenany amin’izao. Nandritra ny fanadihadiana natao taminy, niaiky ny heloka vitany ity farany. Ankoatra izay, voalaza fa mbola manaraka fitsaboana ny renin’ity zazavavy namoy ny ainy ity ka tsy nahazoana fanampim-baovao. Nambaran’ ny mpiara-monina hatrany fa anisan’ny niray tsikombakomba sy nanafina ny zava-nitranga nahazo ilay ankizivavy izy. Hatolotra ny sampandraharaha misahana ny Fikarohana heloka bevava (Brigade Criminelle) Anosy ny raharaha aorian’izay. Mialoha ny hanolorana ny raharaha eny anivon’ny fampanoavana. Andra­sana ny tohin’ny raharaha.

Mino

Partager sur: