Polisim-pirenena 142 isa no nahavita fiofanana mahakasika ny ady amin’ny fanondranana olombelona, omaly. Nanomboka ny 27 avrily 2026 ary nifarana omaly, teny amin’ny sekoly ambony ho an’ny polisim-pirenena Ivato (ENSP) izany. Niaraha-niasa tamin’ny Firenena mikambana (ONUDC) ny fiofanana. Tanjona lehibe ny fiarovana ny mpiray tanindrazana amin’ireo fanararaotana isan-karazany amin’ny fanondranana olombelona. Nitarika izany ny Tale misahana ny DRFC, ny Commissaire divisionnaire de police Ostrom Whenss.
Niakatra fampanoavana omaly, ny ramatoa iray izay nisoloky vola tamin’ny Cash point iray tetsy Ambohipo, tamin’ity herinandro ity. Voasambotry ny polisim-pirenena izy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Nangataka ny handefasana vola amin’ny laharana finday roa izy. Nahatratra 2 550 000 Ar ny vola nalefan’ilay mpanao Cash point taminy nefa tsy nanome ny vola izy. Raikitra fifamaliana ary niafara tamin’ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana teo an-toerana. Voamarina fa tsy nisy vola teny aminy ary mpisoloky izy.
Tovolahy vao 18 taona maty notifirin’ny zandary mamo tany amin’ny kaominina Bekobay, distrikan’i Mahajanga II, afakomaly, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Olona roa hafa naratra noho ny piti-bala nahazo azy ary efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly. Nilahatra hamonjy alim-pandihizana tany an-toerana ity niharan-doza ity. Tezitra noho izany ny fokonolona sy ny fianakaviana ka naterin’izy ireo tao amin’ny biraon’ny zandary ny vata-mangatsiakany. Nisy savorovoro teo an-toerana ka nahatonga ny loza.
Karohin’ny zandary fatratra ny lehilahy iray antsoina hoe: Faralahy Andriamahery Rasoazanatsimba. Monina any Tsimaizina, fokontany Ankidondona, kaominina ambanivohitra Ambohimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo. Voarohirohy amin’ny resaka fisolokiana izy ny antony hanenjehana azy. Iangaviana izay mahita azy na mahalala ny toerana misy azy mba hampandre ny mpitandro filaminana akaiky indrindra.




