Tena tsy hay ny andraisana ity raharaham-pirenena ankehitriny ity. Izay olona ahina ho kandidà filoham-pirenena sy hoe mamim-bahoaka dia voapaingotra amin’ny raharaha maloto avokoa. Manenjana mafy ny tompom-pahefana ho fanenjehana azy ireny. Tsy misy resaka lalàna izany eo, fa samy amin’ny handroritany azy. Manao izay fomba hifehezany ny eo am-pelatanany izay manana ny herijika. Tena tsy hay mazava, iza no manao inona? Toa misy ny tsy rafesi-mandidy. Tsy maintsy miditra anatin’ny lasitra apetrany. Ingahibe moa iny lasa nisintaka indray.
Inona no hilazana izany? Anatin’ny mbola fametrahana vahaolana sy fikarohana ny fototry ny fanavaozana i Madagasikara, ankehitriny. Tsy maintsy hijoroana ny fitiavan-tanindrazana ka hanilihana ny fandoto iray tandroka. Io ihany no nahavoa ny mpitondra teo, nidrikina sy tao anatin’ny fananana fahefana. Nanao azy tsy ho azon’ny aloka fa niantehitra tamin’ny vola sy fanohanan’ny mpitaty ran-kena. Diso nilalao ny fon’ilay Malagasy tsy nanam-pidiny. Tratran’ny fandemen-tsaina faobe sy ny fanabadoana tamin’ny fanazarana tsy hisasatra. Jamban’ny hanin-kely indray manokona.
Mbola manam-potoana hametrahana fototra ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Tsy voatery hanimba ny hafa vao hisandratra, na sanatrian’ny vava efa mahazo toky any ambadimbadika any. Betsaka ny nahatoky tena tafahoatra, najabaky ny fetsy ratsy sy manana ny hoenti-manana. Natosiny, nampirisihiny, avy eo nivadihany rehefa mahita ny tsaratsara kokoa ry zalahy. Mila olona mitovy lenta aminy ireo mpampirisika sy milaza ho mpanohana ambadika. Lalaoviny amin’ny volabe izay potipotiny amin’ny eo am-pelatanany. Sodoka mahita izay aotra fito na valo na folo aorian’ny iray dia maro no nivaro-panahy sy Tanindrazana.
Tsy misy tsy mitady vola na mitady fahefana. Zava-dehibe maha mafy orina anefa ny fanajana etika sy maha izy azy ny tena. Tsy vitan’ny volabe ny zava-drehetra fa rehefa mivadika izy ity, amin’ny farany, dia miara-manjavona aminy izay. Hafa ihany ny manana antoka ara-panahy maha olona, toy izay jamben’ny ravim-bola. Tsy mahay maka lesona Ramalagasy sasany. Misy farany anefa ny zava-drehetra. Na ny soa na ny ratsy mandalo avokoa. Izay mahay miaina anatin’ny fanajana ilay firenena no tafavoaka am-pilaminana. Ny manenina manenina, ny sesitany sesitany, ny migadra migadra dia toy izany hatrany. Fanavaozana no resaka, inona no sakana tsy tena hiovana.
r.r




