Ady amin’ny kolikoly : Mifanome tanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina

Vita sonia ny alakamisy teo, teny Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa stratejika eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena, niarahan’ny governemanta sy ny Transparency Inter­national. Tanjona ny hiadiana amin’ny kolikoly, hanamafisana ny fitantanana mangarahara eo amin’ny sehatra tsy miankina. “Mi­antoka ny fisarihana fampiasam-bola sy ma­natsara ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny fifampito­kisana”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. No­hamafisiny fa: «vonona izahay hiady amin’ny kolikoly sy ny ampihimamba, sady hahafahany mivelatra. Tanjona ny hampiroborobo ny fifaninanana ara-drariny sy madio eo amin’ny tsena». Nasongadiny fa miantraika mivantana amin’ny mpanjifa ny kolikoly sy ny hosoka. Hiezaka iantoka ny fitovian-jo sy hisitrahan’ny rehetra ny tolotra ara-drariny eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa, indrindra eo amin’ny fadintseranana sy ny hetra ny fanjakana.

Hetra « Crédit TVA » tsy naverina
Naneho ny ahiahin’ny se­hatra tsy miankina ny filo­han’ny Vondron’ny orinasa
eto Ma­­dagasikara (Gem), Rabarijohn Francis. Nam­barany fa mbola sarotra ny toe-draharaha iainan’ny mpandraharaha, indrindra eo amin’ny resaka hetra sy ny trosa tsy voaloa na tsy naverin’ny fanjakana, toy ny hetra “crédit TVA”, ohatra. Nore­sahiny koa ny dinika mahakasika ny karama farany ambany amin’ny fandraisana mpi­asa. “Tsy baikoina ny fifampitokisana, fa vokatry ny fa­natanterahana ny teny nomena sy fanajana ny fanoloran-tena no hikolokoloina izany”, hoy hatrany ny filohan’ny Gem.

Henintsoa

Partager sur: