Hotanterahina ny talata 10 jona ny fanaovan-tsonia ny «Accord de partenariat économique». Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Vondrona eoropeanina sy ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles. Tanjona ny hanamafy orina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta sy hampandrosoana ny toekaren’ireo Nosy aty amin’ny faritra.
Mitentina 4,2 miliara Ar ny famatsiam-bola amin’ny sehatry ny fambolena, harena an-dranomasina, fananganana, angovo azo havaozina, fizahantany ary teknolojia. Nivoitra izany nandritra ny fotoam-pampahalalana momba ny INP #AP23 an’ny FMFP izay nataon’ny Fivmpama. Marihina fa manana traikefa azo tsapain-tanana momba ny INP. Miomana sahady ny fikambanana hamantatra sy hijery izay tetikasa azo hatolotra ho tombontsoan’ny mpikambana rehetra.
Lova maharitra navelan’ny PRODIGY ireo rafitra fototra ivon’ny fitantanana niomerika eto Madagasikara. Misongadina ao anatin’izany ny UGD, CMIL, CIRT ary Cneci. Niavaka sy haingana ny asa nandritra ny enim-bolana teo, tamin’ny alalan’ny fisoratana anarana biometrika « Izaho tokana ». Nahafahana nanoratra olom-pirenena maherin’ny 2,6 tapitrisa ny tetikasa. Nahafahana nametraka sehatra hifampizarana angona sy ireo tolotra niomerika stratejika maro hafa.




