Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Kianjan’ny Boulodrome Ankatso, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, ho an’ny olon-droa miaraka. Araka ny fanazavana voaray teny an-toerana, mahatratra 270 ireo ekipa mandray anjara amin’izany ary nahatonga solontena avokoa ireo ligy 12 mandrafitra ny federasionina. Anisan’izany ny ligin’i Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Boeny, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Menabe, Itasy, Ihorombe. Ankoatra ny maha fifanintsanana nasionaly azy, afaka miatrika avy hatrany ny fampivondronana izay hifantenana ny ekipam-pirenena malagasy ny laharana voalohany amin’ity fifaninanana nasionaly ity. Tsara marihina fa nanomboka omaly avokoa ny lalao fifanintsanana ho an’ny sokajy “séniors”, lehilahy ary hiditra an-tsehatra anio, eny an-toerana ihany, ny an’ny zokiny “vétérans”, ny vehivavy, ary ny zandriny.
Fitia Randria




