SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio sabotsy tontolo andro, etsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, ny andiany fahadimy amin’ny “Iray isika eny an-kianja”. Fifaninanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina, hifaninanan’ireo mpiasa amin’ny haino vaky jery. Taranja telo no hifaninanana dia ny tsipy kanetibe, ny baolina kitra lalaovina olona 7 ary ny basikety iarahan’ny lahy sy vavy.

Norombahin’ny ekipan’ny Les etoiles du sud, misy an’i Yves sy i Zigle, miampy an’ilay senegaley, i Fara Ndiaye sy ilay beninoà, i Gbetable, ny dingana voalohany amin’ny “Masters”, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina tao Romans-sur-Isère, ny alakamisy lasa teo. Dingana faharoa ny 25 jona, ao ST Gilles –Croix-de-vie.

Nahitana fihemorana ho amin’ny 29 jona hatramin’ny 5 jolay izao ny “Jamboree national mini basket 2026”. Fifaninanana izay hatao eto Antananarivo, ka ny 28 jona izao no hanatanterahina ny fivoriana ara-teknika, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety.

Tanterahina any Moramanga, manomboka anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1B lahy sy vavy, taranja basikety. Efa vita omaly, ny fivoriana ara-teknika. Raha ny fandaharam-potoana, manomboka anio hatramin’ny alarobia 10 jona, ny fifanintsanana ary miditra amin’ny ampahavalon-dalana sy ny dingana farany aorian’izay.

Partager sur: