Nifarana omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Fiompiana, Ampandrianomby, ny atrikasa lehibe natao hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, tontolo iainana, fiompiana ary toetr’ andro (One Health). Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny tambajotra “Sega-One Health” sy ny tetikasa “Sécurité sanitaire indopacifique” (SSIP), vatsian’ny AFD ary tanterahin’ny COI izy io. Iarahana amin’ny fanohanan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hanamafisana ny rafitra fanaraha-maso ara-pahasalamana mifameno, ny fanatsarana ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra manoloana ireo loza ara-pahasalamana, ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa marolafy, araka ny fomba fiasa “One Health”.
Niara-nivory sy nifampizara traikefa ireo mpisehatra avy amin’ny sehatra maro toy ny fahasalamana, fiompiana, tontolo iainana, toetr’andro ka nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fandrindrana sy ny fanatsarana ny rafitra efa misy ny lahadinika. Nivoitra tamin’ireo dinika ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny fahavononana nasionaly hiatrehana ireo loza ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo sehatra rehetra voakasika.
Tatiana A




