Namoy ny ainy rehefa nentin’ny fianakaviany ny tovolahy iray nolerana zava-maranitra, tetsy Andranomahery, fokontany Ankorondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo.
Nolerana zava-maranitra teo amin’ny kibony sy teo akaikin’ny faritry feny ny tovolahy iray vao erotrerony tao Andranomahery, afakomaly alina. «Hamonjy fodiana izahay telo mirahalahy. Niraikitra tampoka tamin’ny fefin’olona ny akanjon’ilay rahalahiko ka niteraka savorovoro tamin’ilay tompon’ny fefy», hoy ny fanazavan-dRandrianarivo Fitiavana. Nivoaka ireo mpivady tao amin’ny trano nisy ny fefy ka nifamaly tamin’ireo telo mirahalahy mpandalo ireo. Niravina io fifamaliana io kanjo ireo mpivady indray no nifamaly. «Nahare vehivavy niantso vonjy tampoka izahay telo lahy ka niverina», hoy ny fanazavana. Voaletran’ny antsy tamin’io fotoana io anefa ny iray tamin’izy telo lahy. «Niniana notrobarana tamin’ny zava-maranitra ilay zanako», hoy ilay raim-pianakaviana Randrianarivelo Jaona. Nalefa tao anatin’ny rano nanamorona ny lalan-kely io niharam-boina io ka nifamonjen’ireo rahalahiny roa sy ny nanatri-maso. «Niverina nandositra niditra tao an-trano ireo mpivady», hoy ny loharanom-baovao. Nentin’ireo havany nihazo ny hopitaly ilay lasibatra saingy tsy tanà ny ainy.
Notazomin’ny polisy
Nisavorovoro ny fokonolona taorian’io tranga io, nandritra ny alin’ny sabotsy teo. « Efa saika novonoin’ny fokonolona ilay nanindrona zava-maranitra saingy tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana nandamina », hoy ny rain’ilay tovolahy maty. «Nanao vava taminay fianakaviana fa tsy matahotra fitsarana sy milaza azy ho mahitahita ilay ramatoa vadin’io namono olona io », hoy hatrany ny fanampim-panazavana. Nanokatra fanadihadiana momba ity vonoan’olona ity ny polisy eo anivon’ny BC. Mitaky ny hampiharana ny lalàna ho an’ny nahavanon-doza ny fianakavian’ny lasibatra.
Tsiferana R.




