Basikety-World Cup 3×3 : Top 12 ny Ankoay sokajy lehilahy

Nifarana teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana ny lalan’ny Ankoay lehilahy, tao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, natao tany Pologne, ny 1 hatramin’ny 7 jona lasa teo. Na resy aza nefa ny Mala­gasy, nanoratra tantara satria tafiditra anatin’ny Top 12 maneran-tany eo amin’ity taranja ity. Tsy vitan’izany, ekipa tompondaka maneran-tany 2025, i Espagne no nolavoin-dry Marco, Arnol, Elly ary Anthony, tamin’ny andro fahatelo, ka nahazoan’izy ireo ny tapakila niatrehana ny Play in, noho izy ireo laharana fahatelo mendrika indrindra. Isa 20 no ho 19 no nandre­sen’ny Ankoay ny ekipan’i Espa­gne, rehefa nahatafiditra baolina tamin’ny sengondra farany i Arnol. Ankoatra izay, efa nandresy an’i Australie ihany i Madagasikara, tamin’io andro fahatelo io. Isa 22 no ho 17 no nahazoan’ny Ankoay lehilahy io fandresena io izay nampitombo ny herijikan’izy ireo hanohy ny fifaninanana.
Teo amin’ny ampahavalon-dalana kosa no tapitra izay lalan’ny Ankoay izay ary tsara raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ny vokatra ho azy ireo. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, nihintsana tamin’ny lalao fifanintsanana isam-bondrona ry Sambatra, Saro­bidy, Muriel ary Christiane. Fa­haresena intelo nisesy ny vokatra ho azy ireo. Na izany aza hita taratra tamin’ireo la­lao telo ireo ny ezaka nataon’
ireto Ankoay, vehivavy, ireto.

Mi.Raz

Partager sur: