Nifantoka tamin’ny fampanarahana ireo fenitry ny fiarovana ara-pahasalamana ho an’ny sakafo ny dinika fifanakalozan-kevitra nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiantohana ara-pahasalamana ny sakafo (JISSA) sy ny faha-20 taonan’ny komity amin’ny fampiroboroboana ny fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo eto Madagasikara. Hetsika natao nandritra ny roa andro, tetsy amin’ny Havoria Anosy. Lohahevitra tamin’ity taona ity sy mifanaraka amin’ny vina apetraky ny komity ny hoe ” vesatra mankany amin’ny vahaolana: fisitrahan’ny olona maneran-tany sakafo azo antoka”. Nivondrona teny an-toerana ireo mpisehatra sy mpamokatra samihafa. Tanjona niraisana ny hampiroborobo ny fiarovana ny sakafo ara-pahasalamana sy hanentana ny fiarahamonina hanaraka fomba fihinana sy hanjifa izany. Fotoana iray nampahatsiahivana fa olana goavana maneran-tany ny fiantohana ny sakafo ara-pahasalamana. Niantso ny rehetra handray andraikitra amin’ny fanajana ireo fenitra momba ny fiarovana ny sakafo ara-pahasalamana ny filohan’ny komity nasionaly misahana ny Codex Alimentarus (CNCA), Harizafy Henintsoa. Ankilany, nisy ny varotra fampirantiana sy famelabelaran-kevitra isan-karazany. Kendrena tao anatin’izany ny hampahafantatra ny mpanjifa sy ireo matihanina momba ireo fanamby mifandraika amin’ny kalitao sy ny fahadiovan’ny sakafo.
Henintsoa




