Mandroso ny fananganana ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny rivotra, «éolien» any Antsiranana. Tompon’antoka amin’ny fametrahana azy ny orinasa Filatex Energies, izay fotodrafitrasa faharoa eto Madagasikara. Voalohany kosa ny any Taolagnaro, an’ny orinasa QMM, izay efa mihodina tanteraka.
Miisa enina ny andrim-by lehibe napetraka any Antsiranana. Hamokatra herinaratra manana tanjaka 5 MW, izay vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny tapany faharoa amin’ity taona 2026 ity, izany hoe, ny volana jolay.
Tanjona, ny hamokarana angovo madio sy azo havaozina, satria mbola miankina amin’ny solika ny famokarana herinaratra any Antsiranana. Hitombo 25% ny herinaratra vokarina any an-toerana, rehefa mihodina ity fotodrafitrasa avy amin’ny rivotra ity. Hamatsy ny tokantrano, ny orinasa, ny biraom-panjakana, ny tranombarotra, sns. `
Angovo azo havaozina 175 MW
Ankehitriny, mitotaly 161 MW ny herinaratra vokarin’ny Filatex Energies manerana an’i Madagasikara. Fitambaran’ny angovo azo havaozina sy avy amin’ny solika. Tanjona napetraky ny orinasa, ny hamokatra angovo azo havaozina 175 MW. Ao anatin’izany ny angovo azo avy amin’ny masoandro ary indrindra koa avy amin’ny rivotra toy ity atao any Antsiranana ity. Tafiditra ao anatin’ny fiampitana mankany amin’ny azo havaozina rahateo izao paikady izao.
Njaka A.




