VAOVAO TAMBATRA

Nitombo 5 000 Ar avy isaky ny tavoahangy ny vidin’ny entona gazy. Noho ny fampiharana ny tatao 20% avy amin’ny hetra TVA no nahatonga izany, fa tsy mbola noho ny fidangan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Lasa 74 000 Ar ny vidin’ny tavoahangy milanja 9 kilao, raha 69 000 Ar teo aloha. Lasa 103 000 Ar kosa ny tavoahangy milanja 12,5 kilao raha 98 000 ar teo aloha, ary 36 000 Ar ny milanja 4 kilao, raha 31 000 Ar teo aloha.

Miisa 18 ny orinasa malagasy nahazo fankatoavana vaovao hanondrana lavanila any ivelany. Hanampy isa ireo orinasa efa nahazo alalana ho an’ny taom-panondranana 2025-2026 izy ireo. Niisa 25 ny fangatahana voarain’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, ka ireo 18 ireo no voasivana nankatoavina. Nahatratra 1 400 taonina ny lavanila naondrana ny taona 2025-2026.

Lasa andoavana hetra TVA 20% manomboka izao ny lamba tonta na fripy, hafarana avy any ivelany. Mihatra izany, araka ny voafaritra ao anaty Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana LFR 2026. Tsy notataovana hetra ity karazana entana ity hatramin’izay, ary anisan’ny nampitobaka ny fanafarana azy avy any ivelany. Vokany, nihena ny famokarana sy ny fanjifana ny lamba sy ny akanjo vaovao vita eto an-toerana, ka azo heverina fa hanome aina ny famokarana anatiny ity fepetra vaovao ity.

Partager sur: