CHU Analankinina : Ivontoerana fitsaboana olona marary saina

Niakatra 380 isam-bolana taorian’ny rivodoza Gezani ny isan’ireo marary saina. Nahatonga sy nitarika rarin-tsaina an’olona marobe iny trangana rivodoza iny, izay nahasimba ny fotondrafitrasa maro sy trano fonenan’ny olon-tsotra teto Toamasina. Saika vehivavy ny ampahany betsaka amin’ireo marary, raha ny fanazavana manokana nentin’ny dokotera, Ratobimanankasina Lanja, misahana manokana ny fitsaboana olona mila fanarenana ara- tsaina, ” Neuro- Psychiatrique”, eo anivon’ny hopitaly bé Toamasina na ny CHU Ana­lan­kininina, ny 5 jona lasa teo. Nohamafisin’ity mpitsabo ity fa nanodidina ny 200 isam- bolana izany nialohan’ny rivodoza ary saika tanora lahy sy vokatry ny fandraisana sy fitsindromana zava-mahadomelina izany. Mafy ny sedra nolalovana taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza Gezani noho ny fahasimban’ny fotondrafitrasa isan-karazany. Vokany, ireo marary tokony hazomin’ny fianankaviany dia miverimberina mamonjy toeram- pitsaboana mihinana fanafody. Ao kosa ireo hazomina amin’ny trano lay fa saingy misedra fahasarotana ny mpiasan’ny fahasalamana. Fantatra ireo rehetra ireo nandritra ny fandraisana ny fahavitan’ny ampahany amin’ny efitrano fitsaboana marary. Noraisin’ny Spat ( Sociéte du Port à Gestion Autonome de Toamasina) moa ny fanorenana ity Bâtiment ahitana efitrano 16 sy Cellule miisa 3 ity, izay natao mahatohitra tsara ny rivodoza faran’izay mahery, raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, Randriam­bahoaka Heritiana Anicet.

Sajo

Partager sur: