Tarika Kiaka : Mipetraka amin’ny lazany, 40 taona aty aoriana

Nangoro-mainty ny lapa… Mpankafy rock, fa indrindra mpiondana ny tarika Kiaka ireo nameno azy, omaly. Mbola mitoetra ny lazan’ny tarika.

Niteny ny traikefa. Trai­kefa niampy talenta. Talenta be mpankafy ka hipoka ny Lapan’ny Fana­tan­jahantena Mahamasina, oma­ly. Tao ny lava volo, mitafy mainty ny ankabeazany, misalotra hoditra hatrany am-paladia… Tsy tanora daholo anefa, ny ankamaroany aza niara-lehibe tamin’ny tarika Kiaka ! 40 taona an-tsehatra, toy ny vao omaly satria niainana tanaty mozika ka tsy hitan’ny fivezin’ny taona. Fa indreo ry Deba, Joce, Dads, Johnny, Zôzô ary i Nini, toy ny voromahery nahazo aina vao, ka nifehy ny sehatra tanteraka…
Fiainana manontolo no natambolin’ireo hira nalahatra ho an’ireo tena mpankafy ny tarika Kiaka. Ireo hira milamindamina toa ny «Vetsove­tsoko», «Tsy sahy», « Sam­batra », sns, nampiavaka ny tarika Kiaka tamin’ireo mpivoy ny rock hatramin’izay. Niara-nitempo tamin’ny doboky ny amponga maroanaka sy ny rangotra gitara kosa ny fon’ny mpiondana, rehefa nandeha ry «Soavaly metaly», « Ro­vako », « Sida », sns.
Vahinin’ny tarika Kiaka ry Toky sy Teddy, avy ao amin’ny tarika Mage 4. Niara namerina ny «Mbola kely» izay na­neho ilay fampitana fanilo, fi­tohizan’ny mozika koa. Taza­na teny an-tsehatra nanampy ny tarika ary nanamafy izay fitohizana izay koa mantsy i Princy, zanak’i Joce izay tena naneho ny fifehezany ny gitara marani-peo amin’ny tendry kavia. Tsy izy irery, fa namolavola mpandimby maro ny tarika Kiaka, izay nasaina naneho ny talentany omaly koa.
Fotoana namerenana ireo hiran’ny tarika Kiaka tsy fanaon’izy ireo an-tsehatra koa iny fotoana iny. Ry «An­drianampoinimerina», «Tsy kivy », »Resinao » , « Niova » , sns, noravahin’ireo sary fahatsiarovan’ny tarika nandritra izay 40 taona izay. Toy ny fiaingana vaovao hoan-dry Nini sy ny tariny iny seho iny, satria tena nifangia tamin’ireo mpankafy ry zalahy, hany ka tsy ampy ny ora 4 nandravonana 40 taona.
Ny manaraka ? Tsy mbola fantatra, fa azo antoka fa malalaka indray ny lalan’ny tarika Kiaka. Nahazo toky tamin’ny mpankafy, nahazo hery tamin’ireo mpiondana fa indrindra hery vao hoan’ny sehatra manaraka.

Zo ny Aina

Partager sur: