Nihoron-koditra ny mponin’i Tanjombato, omaly. Nisy nanary teny Ambohimanatrika ny vatana mangatsiakan’ny zazakely iray. Nihoson-dra sy tsy nisy lohany ny razana.
Tsy nisy loha intsony sady mbola niosin-dra ny tendan’ny zaza hita faty teny Ampamoloana, fokontany Ambohimanatrika, kaominina Tanjombato, omaly maraina. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa teny an-dalana ny mpianatra hamonjy sekoly maraina, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nozahan’ny fokonolona ilay zaza saingy efa tsy nisy aina intsony. Nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny kaomiasaria ao Tanjombato.
Nanao fizahana io nofo mangatsiaka io ny mpitsabo. « Ahina ho niniana novonoina izy », araka ny loharanom-baovao. Niala tanteraka tamin’ny vatany rahateo ny lohany izay tsy hita popoka. Mbola velona ny ra tamin’ny fotoana nahatongavan’ny manampahefana teny an-toerana. Mihevitra ny mpanao famotorana fa tsy mbola nihoatra ny 24 ora ny nahafatesan’ilay zaza. Tsy nahitana fahasembanana teo amin’ny vatan’ity zaza nisy nanapa-doha ity.
Nahita gony miloko maitso sy lamba kely teny amin’ny manodidina ny fokonolona. Tombanana ho gony nitondran’ny tsy mataho-tody ny nofo mangatsiakan’ilay zazakely izany. Miroso tamin’ny fanadihadiana lalina momba ny raharaha ny mpitandro filaminana. Andrasana ny tohin’izany.
Finoanoam-poana
Matetika, finoanoam-poana ny antony mahatonga ny olona mamono sy manapa-doha zaza tsy manan-tsiny tahaka izao. Ankizilahy iray 10 taona koa no hita faty tapa-doha tany Mandritsara, tamin’ny faran’ny herinandro. Noheverin’ny havany ho mitondra vitan-dratsy izy, izay no antony namonoana azy.
Manana fahasembanana ara-batana ilay zaza. Nisesisesy ny fahafatesan’olona tao anatin’ny fianakaviany. Resy lahatra sy nino ny olona fa mitondra vitan-dratsy io zaza sembana io. Efa natokana efitra nandritra ny roa andro rahateo ity farany. Tsy nomena sakafo ihany koa. Taorian’izay, nisy namono, notapahin-doha. Razana efa tsy misy loha no hita tany Ambalajia, kaominina Ambinagnin’i fango, distrikan’i Mandritsara.
Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana, tovolahy roa, 16 sy 20 taona, havan’ny maty ihany, no nahavanon-doza. Efa voasambotra sy miatrika ny famotorana izy ireo ankehitriny, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny manampahefana any an-toerana.
Tsiferana R. / Mino




