Mandrosoa Ivato : roa lahy nahatrarana rongony 3,2 kg sy mohara

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Ambohidratrimo teny Mandrosoa Ivato, omaly, ireo roa lahy voarohirohy tamina raharaha fivarotana rongony. Nahazo loharanom-baovao ny kaomandin’ny vondron-to­bim-paritra momba ny fisiana mpanao trafikana zava-mahadomelina ao amina trano iray ao amin’ny fokontany Man­drosoa. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ahafahana misambotra ireto voarohirohy ny zandary ka olona roa tratra tao an-trano. Fantatra nandritra ny famotorana fa avy any amin’ny distrikan’Ambo­vombe Androy ireto roa lahy tratra ireto. Rongony avy any amin’iny faritra Atsimo ihany koa ireto azo ireto. Taorian’ny fisavana nataon’ny zandary, fonosan-drongony tamin’ny taratasy sy harona plastika lehibe no hita tao an-trano izay mitotaly 3,200 kg. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana mohara niaraka tamin’ny vodim-bala koa tao amin’izy ireo. Nilaza izy ireo fa ody mpiaro azy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ity mohara ity. Hatolotra ny fampanoavana avy hatrany ry zalahy aorian’ny famotorana ataon’ny zandary.

Jean Claude

Partager sur: