Tsy nanao aroloha, nandeha mafy, nidona tamin’ny sarety notarihin’omby, ny lehilahy iray nitondra kodiaran-droa teny Ankadilalana, kaominina Bemasoandro, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, omaly maraina tamin’ ny 4 ora sy sasany. Nizotra avy amin’ny lalan’Ampasika io mpitondra moto marika Kymco G6 io, araka ny fanazavana avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Nifanoha-dalana taminy kosa ny sarety nitondra zezi-pako, avy amin’ ny lalan’Andranonahoatra. Nivilavila anefa ilay mpitondra moto, noho izy anatin’ny fahamamoana, raha ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny mpitandro filaminana ihany. Niala tamin’ny lalany tampoka ilay moto nentiny ka nangalatra ny havanan-dalan’ilay sarety. Nidona mafy tamin’ity farany ilay kodiaran-droa. Nipitika teo ambonin’ny moto ilay lehilahy mpamily ka nifatratra tao ambanin’ny sarety. Voadona mafy teo amin’ny lohany izy. Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ary tapitra ny ainy. Niezaka nanavotra azy ny nanatri-maso saingy efa tsy nisy azo natao intsony. Nidina nanao ny fanadihadiana savaranonando ny mpitandro filaminana. Tsy nahitana taratasy nirakitra ny mombamomba azy teny amin’ilay lehilahy namoy ny ainy. Notazomina vonjimaika ireo roa lahy nitondra ny sarety mba hatao famotorana. Naiditra am-balam-pamonjana ny sarety.
Tsiferana R.




