Lehilahy iray, tokony ho 45 taona, tratran’ny lozam-pifamoivoizana teo akaikin’ny Gab BFV HJRA Ampefiloha, omaly. Nentin’ny olona novonjena haingana tany amin’ny hopitaly ny tenany taorian’izay. Very tadidy anefa izy ka tsy nahafantatra ny toerana nisy azy. Efa natao ny fikarohana ny havany. Nifanampy tamin’ny famonjena azy ny fokonolona teny amin’ny manodidina.
Manodidina ny valo ny tranga tamin’ity taona ity, efa enina no maty, raha ny tatitra navoakan’ny fikambanana Albinos Madagasikara, omaly. Raha 16 ny trangana fakana an-keriny zaza varira teto amin’ny Nosy, tamin’ny taona 2025 lasa teo. Telo tamin’izy ireo no namoy ny ainy. Zaza sivy volana hafa indray tsy mbola hita hatramin’izao. 24 ny tranga, 12 no maty tamin’ny 2024. 33 no isan’ireo olona varira maty tao anatin’ny efa-taona.
Nitokona sy nandoro kodiarana ny mponina eny amin’ny fokontany Ambatomena, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Misy taribin’ny Jirama tapaka efa ho herinandro eny an-toerana ka tsy misy manamboatra. Mamatsy ny tanàn’Ambatomena izy io. Niezaka nandamina sy nifampiresaka tamin’ireo mpitokona ny zandary sy ireo mpitondra eny ifotony.




