Manahiran-tsaina

 

Tsy misy adihevitra fa tena tompon’ny tanàna ry henjana. Na lalàna inona na lalàna inona aloha voahosihosy dia rehefa lazainy hoe mety dia mety. Tsy asiana resabe ny amin’izay fa ny azo ambara dia tena azy ireo ny lakile. Hidiana dia mihidy, avela hiriaria dia miriaria. Tahaka izany ny fomba amam-panao nolovaina tamin’ny teo aloha, izay tsy hita angamba ny maharatsy azy. Mora tokoa ny miteny sy manitsy rehefa tsy amin’ny toerana.
Tsy hita hifanomezan-tsiny anefa izany! Ilay Malagasy tsivakivolo mihitsy no efa miaina ny tsy fenitra ho fenitra. Ny noheverina ho ratsy hatrizay, mivadika ho tsara tsotra izao. Efa zatra ny voageja sy voapepo angamba ry zalahy sy zavavy ka ny « oui mesie » ihany no filamatra tsy mba mamadika. Tsy misy sahy mijoro intsony ho arofanina. Samy mandeha an-jambany dia izay hiafarany any dia iafarany.
Fadiana aloha ny mimantsamantsana amin’izao fotoana izao. Aleo mihitsy mitazana dia manaraka ny onjany. Ny mahay milomano rahateo no maty an-drano. Tsy ilaina ny mihinana am-bolony na manao rapa-dango vao mahita ny hasesika am-bava. Hanahirana ihany ilay tahaka an-drafotsibe kendam-bomanga, loza nasesiky ny tanany. Amin’izao, efa mahazo vahana ny fakana ho azy. Manahiran-tsaina ilay raharaham-pirenena.
Mila mifoha malaky indray aloha Ramalagasy izany! Efa misy mihirahira moa ny olona hoe tokony haverina, hono, ny tolona fa diso kajy hatrany am-boalohany io. Mety ho marina izany satria ny zava-misy dia manamarina fa misy tokoa ny tsy mivanàka, andaniny. Misy ny be fitetika, natonton’ny lohany, ankilany. Izay nahay nilalao ihany no mahazo.

r.r

Partager sur: