“PLFR 2026” : Manolo-kevitra fanitsiana ny Observatoire de la jeunesse

Ao anatin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana (PLFR) taona 2026 ireo solombavambahoaka amin’izao fotoana. Mitondra ny feony ny Observatoire de la jeunesse.

Nandefa soso-kevitra fanitsiana mahasoa, ho an’ireo solombavambahoaka ao anatin’ny vaomieran’ny Fampirisihana ny tanora olom-pirenena izy ireo.
Anisan’ny misongadina ny fananganana tahirim-bola na­sionalin’ny tanora, izay hovatsiana amin’ny fanatsarana ny fampiasana ireo vola efa voatokana ao anatin’ny « PLFR 2026 ». Voalazan’ny andininy faha-10 amin’ny volavolan-kevitra ny famatsiam-bola mivantana. Atokana ny 20 miliara Ar avy amin’ny tetibolan’io kaonty io hanomezana fampindramam-bola tsy misy zanany ho an’ireo tanora vao manomboka manangana orinasa.
Hatokana ny 5% ny fetra ambony amin’ny antoka omen’ny fanjakana (eo amin’ny 130 miliara Ariary) hiantohana ny fampindramam-bola ataon’ireo latsaky ny 35 taona, eny amin’ny banky.
Mahakasika ny fahaleovantena ara-tsakafo sy fampandrosoana ny ambanivohitra kosa, hatokana ho an’ny tanora mpamboly ny 30% ny masomboly sy ny fitaovana fambolena zaraina.
Fanafoanana tanteraka ny saram-pisoratana anarana amin’ny tany ho an’ireo tanora mpandova any ambanivohitra mba hiantohana ny fifandimbiasan’ny taranaka eo amin’ny sehatry ny fambolena.
Eo amin’ny sehatra sosialy, tokony hisy ny famatsiam-bola ho an’ireo ivontoerana fanarenana sy fampidirana indray ny zaza tsy ampy taona. Famatsiana ny ady amin’ny fiankinandoha sy ny fidorohana zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny hetra alaina amin’ny zava-pisotro misy alikaola.
Manentana amim-pomba ofisialy ireo solombavambahoaka ny Observatoire de la jeunesse mba handinika sy hampiditra ireo fanitsiana natolotry ny olom-pirenena mandritra ny adihevitra ao amin’ny Lapan’Anosikely, ary manambara fa vonona tanteraka hanao fifampidinihana na fanazavana ara-teknika amin’­ izany.

Tatiana A

Partager sur: