Cnuced-Madagasikara : Hafainganina ny fanodinam-bokatra mitondra fampandrosoana

Nandray anjara tamin’ny loabary an-dasy ny sabotsy teo, niaraka tamin’ny Kaonferansin’ny Firenena mikambana ho an’ny Varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced) ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Raminto Gaëtan. Nasongadiny ny fanodinam-bokatra mitondra fampandrosoana.

Fivoriana teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF). Anisan’ny tena noresahina ny hamantarana ireo paikady entina hanitsiana ny famatsiam-bola sy nikarohana ny mpiara-miombon’antoka ilaina. Tanjona ny hanamafisana ny famokarana, fanodinam-bokatra, eto Mada­gasikara. Notsipihin’ny minisitra Raminto Gaëtan fa ilaina ny hifantohan’ny ezaka amin’ny seha-pihariana efa mafy orina sady misy rafitra, manana fototra matanjaka, ahafahana manodim-bokatra sy miteraka asa. Anisan’izany ny vary, ny katsaka, ny « orge » ilaina amin’ny famokarana labiera, ary ny zava-maniry misy hanitra.
Nampahatsiahiviny fa ma­hatratra 15% ny voka-bary very amin’ny fararano, izay tena mamono antoka ny mpamokatra sy toekarem-pirenena. Ilaina ny fampiasana milina maoderina hitotoana vary, mba hanomezan-danja ny vokatra. Toraka izany koa ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana « orge », hampandrosoana ny indostrian’ny famokarana zava-pisotro. Ho an’ny famokarana zavamaniry misy hanitra, manan-danja ny fikarakarana ny vokatra aorian’­ny fiotazana, mialoha ny fanondranana mankany ivelany. Ao anatin’izany ny fanamorana ny fahazoan’ny orinasa ny fitaovana ilaina. Eo koa ny tohana ara-teknika amin’ny rojom-pihariana rehetra, mia­inga any amin’ny fa­mokarana hatrany amin’ny fanodinana ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao.

Hampiditra mpiasa 2 000
Nomarihin’ny minisitra fa hampiditra mpiasa miisa 2 000 ny governemanta, hanentana sy hanapariaka ny fahaiza-manao any amin’ny tantsaha mpamokatra. Na­siany teny koa ny hampiroboroana ny lafiny famatsiam-bola, toy ny fananganana Tahirimbola ho antoka sy fiantohana raha sendra loza voajanahary. Hiarovana ny fampiasam-bola sy hampahomby ny ezaka atao ireo hitondra any amin’ny fampandrosoana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: